Toekarena

BNI - Sabotsy Namehana Am-perinasa nanomboka omaly


  • Talata 25 Jolay 2017

Feno 60 isa sahady ankehitriny ny masoivohon’ny banky BNI Madagascar manerana ny Nosy.

 Notokanana omaly teny Sabotsy Namehana ny masoivohony faha-60, lanonana notronin’ny  solombavambahoaka voafidy eny an-toerana,  ny lehiben’ny distrikan’Avaradrano ary ny Ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana. Nivoitra nandritra izany fa ny mba hahafahana manakaiky bebe kokoa ny mpanjifa no antony manosika ity banky iray ity hanokatra masoivoho maro  hatrany tahaka izao  eny fa na dia  amin’ireo toerana mitoka-monina toa an’i Tanambe sy Maintirano ary Maroantsetra aza. Ho an’ny kaominina  Sabotsy Namehana manokana  dia anisan’ny antony nisafidianan’ny Banky BNI   ity kaominina ity ny hamaroan’ireo  tantsaha mpiompy sy mpamboly eny an-toerana, ny mpanao asa tanana… izay tokony hahazo fanampiana avy amin’izy ireo amin’ny alalan’ireo tolotra maro samihafa misy ao aminy toy ny fampindramam-bola. Mivoha mandritra ny herinandro tsy miato izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT