Toekarena

BNI Madagascar Telo ireo tsara vintana notolorany loka tamin’ny SIH


  • Zoma 01 Desambra 2017

Fahombiazana tanteraka no azon’ny banky BNI Madagascar nandritra ilay lalao tombola nokarakarainy tany amin’ny Salon International de l’Habitat teny Tanjombato, ny herinandro teo.

Nahatratra 2.000 ireo nandray anjara ka ny telo tsara vintana indrindra tamin’izy ireo no notolorana loka. Tamin’ny alalan’ny antsapaka no nisafidianana ny anaran’izy telo mianadahy, lanonana notanterahina omaly alakamisy. Anisan’ny nahazo Ramamonjisoa Kanto. Taratasim-bola  mitentina 400.000 Ar hahafahany miantsena ao amin’ny Sanifer no azony. Teo ihany koa Ravelomanantsoa José sy Randrianarison Elinah izay samy hahazo taratasim-bola 200.000 Ar  hahafahany miantsena ao amin’ny Ballou sy taratasim-bola 100.000 Ar avy hahafahany miantsena ao amin’ny Dom’eau. Nanolotra ny loka tamin’ny anaran’ny banky BNI Ralaimanisa Ndriana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity banky iray ity. Tsiahivina fa anisan’ny tolotra nomen’ny banky BNI tamin’ny Salon International de l’habitat ny fanampiana manokana ireo manana tetikasa  goavana toy ny  fividianana tany sy fanamboarana trano na koa  fanarenana  izay efa misy eo am-pelatanana entina hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy rehetra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT