Toekarena

BNI Madagascar Miezaka manohana ireo tanora manampahaizana


  • Zoma 01 Septambra 2017

Miezaka manohana ireo tanora Malagasy manampahaizana ny banky BNI Madagascar, indrindra ho an’ireo nianatra sy nandalina manokana ny resaka banky, efa nahavita fianarana.

Tonga nanohana ireo mpianatra an-jatony mandrafitra ny andiany « Tsiry Itokiana » navoakan’ny sekoly ambony ISCAM teny Ivato ny banky omaly amin’ny maha mpiara-miombon’antoka akaiky azy ho tohin’ny sonia fifanekem-piaraha-miasa efa notanterahin’ny roa tonta an-taonany maro. Nambaran’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ity banky iray ity nandritra izany fa efa betsaka ireo mpianatry ny sekoly ambony ISCAM vita fianarana no efa noraisin’izy ireo hiasa ao aminy. Mbola hitohy hatrany izany, indrindra amin’ny fisokafan’ireo masoivohon’ity banky iray ity am-polony manerana ny Nosy. Reny mpiahy ity andiany ity Rtoa Sahondra Rabenarivo, manampahaizan’i Harvard. Nanipika sy nanafatratrafatra ireo vao nahazo mari-pahaizana izy ny amin’ny fahasarotana eo amin’ny tontolon’ny asa sy ireo fepetra ankapobeny takiana.

 

Pati

 

Nandritra ny fizarana diplaoma ho an’ireo mpianatry ny sekoly ambony ISCAM eny amin’ny CCI  Ivato omaly 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT