Toekarena

BNI Madagascar Hanampy ireo maniry hanana tany sy trano


  • Zoma 17 Novambra 2017

Vonona hanampy ireo fianakaviana Malagasy maniry hanana trano ny banky BNI Madagascar. Anisan’ny antony manosika azy ireo ho mpanohana ofisialy ny “Salon de l’habitat”

nandritra ny taona maro izany, mitohy hatramin’izao andiany faha-19 izao,  tanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato nanomboka omaly. Tanjona ny hanome  fahafaham-po ny mpanjifa rehetra, indrindra ireo mikarama isam-bolana. Misy karazany maro ny tolotra. Anisan’ireny ny credit taniko izay hahafahana mividy tany, ny credit tranoko hahafahana manorina trano, ny credit tanànako izay hahafahana mividy tany sy trano mitambatra, ny  credito Fioharana hahafahana manavao sy manatsara ny trano amin’ny lafiny rehetra. Hiarahan’ny banky BNI  sy ny  Solidis Garantis izany rehetra izany hanamorana ny fahazoana  ny vola hahafahana manatanteraka ny tetikasa ao anatin’ny fotoana fohy. Ao koa ny Immobilier conseil amin’ny fikarakarana ny taratasin’ny tany. Mahatratra 18 taona ny fe-potoana hahafahana mamerina ny vola  nindramina izay marihina fa hisy taha manokana mandritra ity Salon ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT