Toekarena

Blueline Business Tolotra miavaka ho an’ny orinasa


  • Alakamisy 19 Oktobra 2017

Raha tamin’ny alalan’ny orinasam-pifandraisana Bip, ny fampitana ireo karazana vata fahitalavitra misy any ivelany no tena nahafantaran’ny maro ny orinasa Blueline teo aloha teo dia fantatra fa efa manana ilay tolotra “Bleuline Business” ihany koa izy ireo ankehitriny.

Natokana ho an’ny orinasa rehetra misy eto Madagasikara  izy io raha araka ny fanazavan’Atoa Damien Lamberterie, tale jeneralin’ny Blueline. Fanomezana “connexion internet” no hatao amin’izany izay notsindriany manokana fa sady haingam-pandeha no mora vidy raha oharina amin’ny hafa. Mora hapetaka ihany koa ny fitaovana hahazoana izany hoy hatrany izy ankoatra ny hafahafan’ny Blueline miaro, mitantana ary manamaivana ny asan’ireo mpanjifany. Tsiahivina moa fa efa 20 taona izao no niarahan’ny Blueline niasa tamina orinasa ary tsapany tamin’izany fa tsy mitsaha-mivoatra ny fampiasan’ny orinasa  ny teknolojia avo lenta, indrindra fa ny “connexion” mba hahafahana manitatra ny asa fikarohana hatao sy hanokafana lalam-bola hafa.  Afaka manatona azy ireo avy hatrany izay orinasa rehetra liana amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT