Toekarena

BLOCKCHAIN MADAGASCAR Hatsangana any amin’ny Faritra SAVA


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Sambava, Andapa, Vohemar, ary Antalaha no isan’ireo faritra efa nanganana ny Blcokchain Madagasikara izay sehatra hifaneraseran’ireo tanora Malagasy. Fifanomezan-tanana ireo tanora hiantsehatra amin’ny tohivakan-karena

 izay mifantoka tanteraka amin’ny fandraharahana. Samy manana ny sehatr’asa ny distrika tsirairary avy. Ny zanaky ny faritra hatrany no afaka mampandroso ny faritra misy azy ireo ary mahalala ny hampandroso ny tontolo ny asa. Orinasa kely mifampiankina no hivondronan’ny Blockchain Madagasikara ka ireo tanora ihany no omena fiofanana afahany mampiroborobo ny sehatry ny asa izay mifandraika aminy. Azon’ireo tanora hatrany anefa izay mivondrona ao amin’ny Blockchain ny manaparitaka ireo vokatra avy amin’ny faritra niaviny aorian’ny fananganana orinasa kely ataony. Tanora maro no efa mivondrana ao anatin’ity vovonana ity ary isan’ireo ny tanora Malagasy ao faritra SAVA izay natao modely. Anisany tanjon’ny fananganana ny Blockchain Madagascar ny hamoronana asa sy ny fanampiana ny tanora Malagasy izay efa tena sahirana amin’ny fitadiavana ny sehatr’asa. Ny fanahy maha olona no miandraikitra mivantana ny Ong Blockchain Madagascar. Hitety faritra ny fanampiana ny asa hoan’ny tanora Malagasy ataon’ny ekipa ny Blockchain io. Amin’ity taona ity hatrany no hanatanterahina izany. Nanambarany ny filohan’ny fikamban’ny Fanahy mahaolona Ny Rado Rafalimanana fa zava-dehibe hoan’ny tanora Malagasy ny fitsanganan’ny Blockchain izay ataon’ny fikambanan’ny fanahy mahaolona eto Madagasikara. Maro ireo tanora tamin’ny faritra notetezin’ny Ong no efa mahafehy ny fananganan’ny orinasa izay hampitomboana ny vokatra eo aminy. Misy ihany koa ny firenena izay afaka miara-miasa amin’ny ireo tanora miaraka amin’ny blockchain toy ny firenena Dubai. Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny fikambanana fanahy maha olona amin’ny fampafantarana ny Blockchain Madagascar. Marihina fa tsy misy resaka politika ny fanampiana amin’ny fanomezana asa ny tanora fa ny politika ny tanora amin’ny sehatr’asa no voizan’ny Fanahy maha olona.
Tolin

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT