Toekarena

Ben’ny tanànan’Alasora Zava-dehibe ny fifanomezan-tanana


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Tsy handraraka ilo mby an-doha eo anatrehan’ny fanomezan’ny vahoaka fitokisana azy hitantana ny kaominina Alasora ny Ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, araka ny fanamby nomeny.

 

 

 

 “Alasora iombonana, mahate-honina” rahateo no tarigetra sy teny faneva iarahany amin’ny vahoaka, ka miainga amin’ireo teboka miisa folo no hanatanterahana izany. Hapetraka ho lohalaharana ny famerenana ny hasin’ny fambolena sy ny fiompiana ary toeram-pamokarana, ka isan’ny zava-dehibe ao anatin’izany ny fanamboarana ny toho-drano; ny famahana ny olan’ny fitaterana sy ny lalana; ny fampidirana rano fisotro madio sy ny fifehezana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fidiovana; ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana; ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fialam-boly; ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny famatsiana “cantine scolaire” ireo sekoly mbola tsy manana izany,… Efa misy ireo tetikasa an-dalam-panantanterahana amin’izao fotoana izao, tahaka ny fananganana ny lisea fanampiny, izay hiaraha-manatontosa amin’ny fiangonana Orthodoxe. Havanana sy kinga amin’ny resaka fikatsahana mpiara-miombon’antoka ity ben’ny tanàna ity, ka efa isan’ny nahatarafana izany, ohatra, ny resaka jiro manazava ny tanàna, fony izy mbola tsy ben’ny tanàna akory. Tondro tokana anefa tsy mahazo ao, ka miantso fifanomezan-tànana hatrany amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka ity izy hiara-hisalahy amin’ny fampandrosoana mba hahafahana mandeha mafy kokoa. Tsy sakana velively ny loko politika izay nahalany azy satria ny tombotsoan’ny tanàna no jerena, ka tsy manana olana velively amin’ny fitondram-panjakana fa mivelatra tanteraka amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny tombotsoam-bahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT