Toekarena

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra


  • Zoma 03 Aprily 2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

 

 


Ilaharana mandrakariva ny mpamongady isa-maraina ary mitandahatra mihitsy ireo cageot sy haronkely maka ireo entana. Misy mihitsy aza ireo mpivarotra lasa tsara tsena ary mihodina mihoatra lavitra noho ny tamin’ny tsy fisian’ny valan’aretina coronavirus. Miainga amin’ny 500 Ar, 1000 Ar, 2000 ar mety hatramin'ny 40 000 ar no lanin'ny mpanjifa anaty bar amin’izao fotoana izao. Misy ireo misotro kônsôma manao ty sy nday ary tsy vitsy ireo mitondra tavoahangy misotro an-trano mihiboka miaraka amin’ireo tapaka sy namana. Tamin’ny fanombohan’ny fihibohana dia nanahirana ny nitady zava-pisotro mahamamo ary misy mihitsy aza ireo tompona bar, niala an’Antanarivo ka nody any an-tanindrazana. Amin’izao fotoana izao kosa dia feno ny elakelan-trano na mody mihidy aza ny ankamaroany. Afaka dondomina hatrany ireo mpivarotra ary manome izay ilaina. Maika tafakatra avo 2 heny na 3 heny ny vola miditra amin’ireo mpivaro-toaka ankehitriny indrindra ny any anelankelan-trano izay tena misy miharitra mivarotra hatramin’ny sasak’alina mihitsy. Misy aza moa ireo mpitandro ny filaminana mihitsy no manjifa hiatrehana ny hatsiaka mamirifiry sy hiandrasana ny maraina. Laza vazivazy eny rehetra eny ny hoe : tsy handraisana fepetra ve ny BAR satria anisan’ny mivarotra entana ilain’ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro e ?

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT