Toekarena

Banky Maneran-tany Olana mampahantra ny vahoaka ny vidin-tsolika


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Nivoaka ny tatitra avoakan’ny Banky Maneran-tany isaky ny enim-bolana hanaovana ny fanadihadiana ny toekarena eto Madagasikara. Nanambara ity tatitra ity fa azo leferina ny toekarena tamin’ny taona 2018 lasa teo satria voatazona 5,2% ny tahan’ny fampandrosoana ara-toekarena. Azo io tarehimarika io noho ny fahatsaran’ny famokarana vary tamin’ny taona 2018 satria nidina ny vidiny noho izy betsaka teny an-tsena ary tsy dia nananosarotra ny toetr’andro.

 

Teo ihany koa ny firoboroboan’ny sehatra fahatelo (secteur tertiaire) izay nahatsara ny fanondranana nataon’i Madagasikara. Tsiahivina fa rehefa tsara ny tarehimarika mandrafitra ny harifaobe (macro-économie) dia mivoatra ihany koa ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena. Raha ny eto Madagasikara dia tena mbola maizina ny toekarena ka ilaina ny politikam-panjakana hanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana. Mbola ezaka be, ohatra, ny fitantanana ny vidin-tsolika hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Ilaina ihany koa ny vahaolana maharitra mahakasika ny fatiantoky ny Jirama. 8,3% ny tahan’ny fisondrotam-bidim-piainana tamin’ny taona 2017 ary namotika ny toekarena ny valanaretina nisy izay nisy fiantraikany ratsy tamin’ny sehatra fizahantany. Nidina hatramin’ny 14% mantsy ny isan’ny mpizahatany nanomboka ny taona 2016 hatramin’ny taona 2018. Manginy fotsiny ny fiakaran’ny vidin’ny barilana solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’iny taona 2018 iny ka nampavesatra ny vola naloa tamin’ny fanafarana. Izany rehetra izany no hilàna ny ezaka avy amin’ny fitondram-panjakana, hoy ny solontenan’ny Banky Maneran-tany eto Madagasikara, Coralie Gevers mba ho tombony amin’ny vahoaka Malagasy ary hampihena tanteraka ny tahan’ny fahantrana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT