Toekarena

Banky iraisam-pirenena sy Fanjakana Malagasy Voasonia ny fanampiana sy trosa 490 tapitrisa dolara


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Notontosaina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonia famatsiana sy fampindramam-bola mitentina 490 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena

 amin’ny alalan’ny IDA sy ny Fanjakana Malagasy. Nanasonia izany ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira sy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Atoa Richard Randriamandranto. Tafiditra ao anatin’ilay 1,1 miliara dolara nampanantena nandritra ny Fivoriana niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena tany Abidjan Côte dIvoire herinandro lasa izay. Hamatsiana tetikasa miisa 4 io, ka 100 tapitrisa dolara fanomezana ho an’ny lafiny fahasalamana toy ny hiarovana amin’ny valanaretina covid-19 sy fanaovana vaksiny ary hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana. Famatsiam-bola fanampiny mitentina 40 tapitrisa dolara ho an'ny fambolena sy fiompiana izay hanampy amin'ny fampitomboana ny fisitrahana ireo teknika fanondrahana ireo tanim-boly sy ireo teknikam-pambolena maharitra. 150 tapitrisa dolara hanatanerahana ny PIC (Pôle Integrée de Croissance) andiany fahatelo hanohanana ny Orinasa madinika sy salasalany dia ny mpandraharaha amin’ny fizahantany, agribusiness, teknnolojia vaovao,... 200 hikojakojana ny làlana mirefy 1200km. Nambaran’ny Filoha ankehitry Andry Rajoelina fa sambany tamin’ny tantaran’ny firenena. “Mety tsy mahakasika anao mivantana, mety tsy mahakasika ny tenako mivantana, fa mahakasika ny vahoaka tsy mandady harona mitrongy vao homana. 500 000 ny mahazo tosika fameno, 2500 000 no mba avotra. Betsaka ny tanora tokony hampiana ary hitantsika fa mivoatra amin’ny fiainana. Eon y fambolena, fa hitantsika ny haratsin’ny làlanana, io RN2 io izay hitantsika ny fahalanian’ny fotoana miatraika amin’ny famatsiana entana ilaina andavanandro”, hoy I Andry Rajoelina. Tsiahivina hatrany ny vavabe nataon’I Andry Rajoelina ny desambra 2018, fa tsy handroso I Madagasikara na amin’ny 2030 na amin’ny 2060 aza raha mbola hiakin-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Nambarany fa isika aza no hampindram-bola an’I Kaomoro.
MADIO NY FITANTANANA
“Dingana iray lehibe mampiseho fa misy ny fahatokisana apetraky ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fomba fitantanana ny firenentsika, indrindra ny fitantanana ara-bola. Misy mantsy ny manipy teny etsy sy eroa hoe mankaiza avy ny fitantanam-bola, ary tsy amin’ny covid-19 ihany. Matotra sy mafy orina ny fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena, misy ny famatsiam-bola, ary misy ny trosa, izay 50% avy eo raha ny fahitako azy”, hoy kosa ny Minisitra Richard Randriamandranto.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT