Toekarena

Banky Iraisam-pirenena Nandefa mpahay toekarena manao iraka eto


  • Talata 21 Febroary 2023

Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ny delegasiona iray mpahay toekarena

avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, nahitana an'Andriamatoa sy Ramatoa isany Luis-Felipe Lopez-Calva (Global Director Poverty and Equity), Pierella Paci (Practice Manager Poverty and Equity), Marco Hernandez (Practice Manager of Macroeconomic, Trade and Investment), ary Marie-Chantal Uwanyiligira (Country Manager), raha ny voavao navoakan’ny Fiadidian’ny Primatiora. Nidinika manokana mahakasika ny fivoaran’ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara ny roa tonta, ary nifanakalo hevitra momban'ny paikady hifehezana an'izany. Fantatra rahateo fa hanome tohana ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena, hanatanterahana an'ireo drafi-pampandrosoana napetraka hitantanana ny firenena, araka ny tatitra hatrany. Hatreto, ny fampanantenana no betsaka, fa ny fiovany ho vokatra aloha tena mbola lavitr’ezaka. Vao andro vitsy ihany koa, ny faran’ny herinandro teo, dia nifampidinika tamin’ny Governemanta Malagasy ny avy amin’ny Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika niresahana ny resaka fifidianana sy ny politika eto, saingy mbola manjavozavo nyy resaka famatsiam-bola avy amin’izy ireo noho ny antony maro, ka anisany ny tsy fahatokisana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT