Toekarena

Banky Iraisam-pirenena Mitaky fanatsarana hatrany amin’I Madagasikara


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Miatrika ny Fihaonam-be isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny Mpitondra Malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

Nihaona tamin’ny Talen’ny Departemantan’i Afrika, Andriamatoa ABE SALASSIE ny sy ny ekipany ny delegasiona Malagasy, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Niompana tamin’izany ny fanolorana ireo tetikasa fanavaozana ho an’ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsara rahateo ny manamarika fa zara raha nahazo naoty 2,5/6 avy amin’ny Banky iraisam-pirenena isika amin’io lafiny io. Nomarihin’ny fampitam-baovaon’ny Minisitera fa ny fanavaozana natomboka dia mahakasika indrindra ny : ny rafitra ara-dalàna sy ny andrim-panjakana, ny fitantanana ny fananan-tany, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fanatanterahana ny tetibola, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fikarakarana ny raharaham-panjakana, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, izay vao nifanaovana soniam-pifanarahana antsoina hoe “Politika anatiny miady amin’ny kolikoly”, ny fangaraharana sy ny fitondrana tsara tantana amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao mifandraika amin’ny fanatanterahana ny tetibola, ary ny fahafahan’ny Fitsarana misahana ny kaonty miditra amin'ny rafitra informatikan’ny Minisitera. Nambara fa mariky ny fanamafisana ny fitantanam-bolam-panjakana eto Madagasikara izany. Nitohy tamin’ny fivoriana niaraka tamin’ny Country Team izany, ary noresahana tamin’izany ny momba ny teti-bolan’i Madagasikara ho an’ny taona 2023, ahafahana manatontosa ny jeritodika faha-3 momba ny “Facilité Elargie de Crédit” na ny FEC, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT