Toekarena

Banky iraisam-pirenena Misy roa karazana fampindramam-bola ataony


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Ny banky iraisam-pirenena dia fitambarana vondrona telo. Ny voalohany dia ny Banky Iraisam-pirenena momba ny Fanarenana sy ny Fampandrosoana (BIRD) izay manao findramam-bola ho an’ireo firenena izay voasokajy ho manana fidiram-bola antoniny na revenu intermédiaire.

 

 

 

 Ny Faharoa dia ny Fikambanana Maneran-tany ho amin’ny fampandrosoana (AID) izay mampindram-bola ihany koa ka ny 20% amin’izany dia omena fotsiny fa tsy haverina (dons) fa ny ambiny dia averina ao anatin’ny fe-potoana maharitra ary tsy misy zanany ho an’ny firenena izay tena mahantra. Ny fahatelo farany kosa dia ny Agence Multilatérale de garantie des Investissements (AMGI) izay miandraikitra ny resaka fitaovam-piantohana (instruments de garantie et gestion de risque) sy ny fanohanana ara-tekinika ary ny ara-kevitra. Mahakasika ny fampidramam-bola dia 2 ihany no ataon’ny banky iraisam-pirenena dia ny fampindramam-bola ho amin’ny fandraharahana  (PI) sy ny fampindramam-bola ho amin’ny fampandrosoana ara-politika (PPD). Ny PI dia natokana ho fanohanana ny fotodrafitr’asa izay hanatsarana ny sosialim-bahoaka mba hampihenana ny fahantrana ary miantoka ny fampandrosoana maharitra. Ny firenena rehetra dia afaka misitraka azy io raha toa ka tsy mbola manana vola tokony ho aloha amin’iray amin’ireo vondrona voalaza teo aloha ireo. Ny PPD kosa dia fanohanana ara-bola ana tetik’asa iray na maromaro tafiditra anaty programan’asana fitondram-panjakana na fanovana rafitra amin’ny sehatra iray na ny toe-karena manontolo mihintsy. Marihina fa tetik’asa fa tsy programan’asa iray manontolo no vatsin’ny banky iraisam-pirenena mba tsy hisian’ny fitsabahana anaty fitantanana. Mba azahoana azy io ny firenena iray dia tsy maintsy manao fifanarahana amin’ny banky iraisam-pirenena amin’ny fametrahana pai-kady hanatanterahana ilay tetik’asa satria misy vokatra andrasan’izy ireo ka arakarak’izay no itohizan’ny fiaraha-miasa ny roa tonta na tsia.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT