Navoaka omaly tao amin’ny foiben’ny Banky Iraisam-pirenena tetsy Anosy ny famelabelarana mahakasika ny fanadihadiana natao niompana tamin’ny zava-misy
marina sy ny vahaolana maika ara-toekarena tokony hilofosan’i Madagasikara. Mivoaka isaky ny 5 taona ary mitondra ny lohateny hoe “Mémorandum économique de Madagascar” ka ny mpahay toekarena eo anivon’ny Banky Manerantany, Natasha Sharma no nanatanteraka sy nanoratra ity boky ity. Tahaka ny efa mahazatra dia matroka hatrany ny tarehimarika ara-toekaren’i Madagasikara ary voasokajy ho anisan’ny firenena tena marefo izy amin’ny lafiny maro. Tamin’izany dia nanome vahaolana izy ireo ary nanambara fa sehatra 4 lehibe no ilaina ezaka maika eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay hita ho mbola mananosarotra be eto Madagasikara araka ny tatitra. Tsy ampy ny orinasa ary vitsy no matanjaka ka ireto farany no mifehy sy manao ampihimamba ny toekarena. Ilàna ezaka be ihany koa ny sehatra famokarana, indrindra ny famokaram-bary. Nisy fotoana ny Malagasy efa mpanondrana vary kanefa amin’izao fotoana izao dia manafatra lavareny ary tokony hojerena haingana ny vahaolana mahakasika izany, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira. Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ny tatitra ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana ny kalitao sy ny harena arak’olona na ny capital humain. Anisan’izany ny sehatra fanabeazana izay mitotongana ary tsy mahalasa lavitra ny toekarena mihitsy hatreto. 97%-n’ny ankizy latsaky ny 10 taona dia tsy mahay mamaky teny ary manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo satria ankizy 1 amin’ny 4 no tsy ampy sakafo. Mazava ho azy anefa fa rehefa tsy ampy ny sakafo dia tsy afaka mivelatra ara-tsaina ary manjaka ny habadoana. Ary ny farany izay tsy ny kely indrindra dia ny tsy maintsy hanatsarana ny lalana rehetra mba ifandraisan’ny Malagasy hampiakarana ny vokatra ary hanatsarana ny sehatra fizahantany. Tsy azo eritreretina mihitsy hoe toerana mamoka-bary be tahaka ny any Alaotra nefa ratsy lalana be. Nanatrika ity tatitra ity moa ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandrato ary nilaza fa efa ao anatin’ny drafi-pampandrosoana PEM daholo izany rehetra izany saingy mbola eo am-panatanterahana ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.