Banky Iraisam-pirenena

« Mahatratra 4 miliara dolara


  • Alarobia 03 Desambra 2025

ny fampiasam-bolanay eto, tsy maintsy mivadika vokatra ! »

Mahatratra 4 miliara dolara ny fampiasam-bola sy tohana ataon’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra nataon’ny solontenany eto amintsika omaly 02 desambra. Mizara amin’ny tetikasa 23 mbola mandeha, mandrakotra sehatra efatra lehibe: angovo, rano, fotodrafitrasa amin’ny lalana ary nomerika. Nambara fa tsy maintsy mivadika ho zava-bita mazava io vola io, mba hanamafisana ny fanatanterahana asa mipaka eny ifotony. Na izany aza, ireo tetikasa mbola mandeha amin’izao fotoana izao dia tsy mbola mandinika ny laharam-pahamehan’ny governemanta vaovao, izay mbola hodinihina amin’ny fotoana manaraka. Nohazavain’ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy nisy tetikasa na iray aza naato nandritra ny krizy politika: fiatoana vetivety ihany no nisy, saingy nanohy ara-dalàna ny fandoavana vola nanomboka ny 12 Novambra. Mikasika ny JIRAMA, fanohanana mihoatra ny 100 tapitrisa dolara no misy ao anatin’ny fandaharan’asa DECIM (Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar) sy LEAD (Least-Cost Electricity Access Development). Ankoatra izany, ny fanomanana tetikasa vaovao dia miankina amin’ny toromarika avy amin’ny governemanta, indrindra momba ny sehatra laharam-pahamehana sy ny vola tokony hatokana, araka ny fanazavana. Zava-dehibe izany amin’ny lafiny iray, saingy mampametra-panontaniana ihany mandrak’ity ny androany hoe : tena tsy maintsy mandady amin’ny mpamatsy vola tokoa ve isika vao afaka handroso ? Maro ireo famatsiam-bola natao teto Madagasikara kanefa nahoana no mbola mijanona ho Firenena fadiranovana ? Tsy nampiasaina araka ny tokony ho izy sy very ankilahila hatrany ve ny tohana ara-bola noho ny tsy fahaiza-mitantana ? Zary lasa mivadika ho trosa manandevo ny famatsiam-bola ? Betsaka ny zavatra mila ahitsy mikasika ny fanampiana ara-bola, tohana ara-bola, trosa,… Tsy ny mitrosa no ratsy fa ny tsy fahaizana mampiasa azy satria na ny Firenena manana matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany aza dia manana trosa misavovona. Mila mahay manetsika sy mampiasa ireo harenanantsika avy ato anatiny mba ho fanohitra amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fampandrosoana fa tsy voatery hiantehitra lava amin’ny famatsiam-bola sy trosa, ka raha vao tsy misy an’izany dia mitolefika ny toekarena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT