Toekarena

Banky Iraisam-pirenena Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ny teknolojia ampiasainy


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Omaly alarobia 17 oktobra no andro iraisam-pirenena natokana ho fanafoanana ny fahantrana. Nanamarika izany ny teto Madagasikara ary nisy ny atrikasa maneran-tany nokarakarain’ny Banky Iraisam-pirenena niraisana tamin’ny firenena

 

 maro ary naseho mivantana tetsy amin’ny foiben’ny Banky Iraisam-pirenena tetsy Anosy. Anisan’ny singa iray lehibe tsy azo ihodivirana intsony ahafahana manafoana ny fahantrana ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy avo lenta. Tamin’izany lohahevitra izany no nanasan’ny Banky Iraisam-pirenena ny solontenan’ny mpandraharaha, ny tompon’andraikitra misehatra amin’ny teknolojia, ny mpianatra ary hatramin’ny olon-tsotra. Noresahana tao ny dingana tokony hataon’i Madagasikara hampiroboroboana ny teknolojia mba hanatsarana ny famokarana ary hipaka amin’ny toekarena. Nanambara ireo tompon’andraikitra nisolotena ny orinasany tonga tao fa tsy afaka miala amin’ny fotodrafitrasa ara-teknolojia ankehitriny intsony i Madagasikara ary taratry ny fandrosoana ara-toekaren’ny firenena izany. Misy vokany mivaingana amin’ny asa atao sy ny mety ho famokaran’ireo orinasa mantsy ny fahaiza-mikirakira ny teknolojia vaovao ary tahaka ny any amin’ny firenena mandroso dia hiantraika mivantana amin’ny toekarena ny fifehezana izany.

Anisan’ny nahazo fanasana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena Ramatoa Carolle Rakotondrainibe misahana ny fandraharahana eo anivon’ny Groupe Axian

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT