Toekarena

Banky foiben’i Madagasikara Tsy mbola mieritreritra ny hamoaka vola vaovao


  • Zoma 25 Janoary 2019

Nahoraka ny ho famoahan’ny Banky Foiben`i Madagasikara vola vaovao mitambatra toy ny 50 000 Ariary sy 100 000 Ariary ao anaty tambajotran-tserasera.

 

 

Nampikorontana ny sain’ny maro, indrindra ny teo anivon`ny Banky Foibe izany ary nanaovany fanambarana. Araka ny sata mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara, voafaritry ny lalàna, dia izy irery ihany no manana fahafahana hamoaka, hamorona ary hanaparitaka ny vola eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia nametraka fitoriana ny eo anivon’ny Banky Foiben’I Madagasikara na dia tsy mbola misy vaovao marim-pototra aloha hatreto ny amin’ny fahitana mivantana ireo vola naseho anaty tambajotran-tserasera ireo.  Nosokajian’izy ireo ho fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny zava-nitranga.  Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny Banky foibe, tamin’ny alalan’ny governora lefitra voalohany,  Rakotondramanga Jules Théodore fa tsy mbola manana vinavina hamoaka vola vaovao izany mihitsy aloha hatreto. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT