Nanapa-kevitra ny hitazona ny taha torolalana (taux directeur :TD) ho 9,5% ny banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fanambarana nataony omaly zoma 2 novambra.
Tsiahivina fa io ihany aloha ny TD notazonina hatramin’ny enim-bolana lasa tamin’ny taona ity ary io no mifandraika amin’ny zava-misy ara-toekarena sy ny mety tranga hampisy fisondrontam-bidim-piainana. Antonony hatrany io taha io araka ny tatitry ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Alain Herve Rasolofondraibe taorian’ireo fanadihadiana maro momba ireo singa mahakasika ny harifaobe (macro-économie) hahasalama ny toekarena. Hatreto aloha dia marefo hatrany ny toekarena Malagasy na dia misy aza ny ezaka atao noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny ariary sy ny fatiantoka ara-barotra amin’ny tsena iraisam-pirenena ateraky ny fanafarana entana tafahoatra. Amin’izao politika ara-bola atao izao dia mametraka tanjona hatrany ny BFM hifehy ny fisondrotam-bidim-piainana (inflation) amin’ny alalan’ny famerana na ny fampitomboana ny vola miriaria arakaraka ny zava-misy eto amin’ny firenena mba hiteraka fampitomboana ny harinkarena sy ny fametrahana tanteraka ny fahasalamana ara-bola. Ambony hatrany io TD io raha mijery ny tontolo ara-bola sy ara-bankin’i Madagasikara ka ny mpanjifa no mizaka ny tsy eran’ny aina satria mbola maka tombony mihoatra amin’io TD io ny banky mpampindram-bola. Mazava ho azy fa antony maha ambany hatrany ny ahafahana mahazo findramam-bola izany satria miainga amin’io taha io no ametrahan’ireo banky mpampindram-bola ny tahany ampiany ny tombony alainy amin’ny mpindram-bola. Tsy mahagaga raha ambony be ny zana-bola alain’izy ireo ka miteraka fahalainan’ny mpampiasa vola hanodina izany tahaka ny misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.