Toekarena

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Nanao fanambarana ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa mitohy hatrany ny asa aman’andraikiny na dia eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Afaka mbola mamatsy vola hatrany izy ireo ho fampandrosoana ara-toekarena ary nanamafy ny tsy maintsy hiara-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny banky.

Izany no hatao ho fiarovana amin’izay mety hitrangan’ny krizy aorian’izao aretina mandavo ny toekarena izao. Maro ireo fepetra noraisin’ny BFM tahaka ny fitandrovana mba tsy ho hisy banga ny tahiry amin’ireo fifameziven’ny vola. Tsiahivina fa nampiditra vola mitentina hatrany amin’ny 200 miliara Ariary ny BFM ary hanampy 200 miliara Ariary ho fampandrosoana ny toekarena. Nanamafy ihany koa ny BFM ny amin’ny tokony ahafahan’ny mpanjifa mbola maka findramam-bola eny anivon’ny banky mpampindram-bola izay mahatratra hatrany amin’ny 50 miliara Ariary isan’andro farafahakeliny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT