Toekarena

Banky Foiben’i Madagasikara Hamoraina ny famatsiam-bolan’ireo orinasa


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Niompana tamin’ny voka-dratsy ara-toekarena ateraky ny valan’aretina COVID-19 ny fivorian’ny Komity ara-bola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) omaly.

 

 

Nisy ny fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina nohon’ny fepetra ara-pahasalamana misy eto amin’ny firenena. Anisan’ny miteraka akony ratsy amin’ny toekarena ny fihibohana sy ny famerana ny famezivezena ka hijerevana vahaolana maika hoy ny fanambarana eo anivon’ny BFM. Anisan’izany ny efa nijerevana akaiky hatramin’ny fiantombohan’ny taona 2020 ny resaka tsena sy ny fifanakalozana ara-bola. Laharam-pahamehana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo Orinasa tompon’andraikitra amin’ny fampindramam-bola hoy ny BFM ka nanaovana fepetra manokana mihitsy mba hanamora ny famatsiam-bolan’ny Orinasa. Tsy maintsy jerena akaiky ihany koa ny mahakasika ny fisondrotam-piainana sy ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana hijerevana ny ezaka rehetra hanavotana ny toekarem-pirenena. Tamin’io fivoriana omaly io ihany koa dia tapaka tao fa hotazomina hatrany ny fetra amin’ireo kajikajy fanatsarana toekarena efa mipetraka eo anivon’ny BFM amin’ny alalan’ny Politika ara-bola. Anisan’ny notazomina ho 0,90% ohatra ny tahan’ny fanamorana ny petra-bola (le taux des facilités de dépôt). Eo ihany koa ny tahan’ny fanamorana findramam-bola izay 5,30% sy ny fitazomana ny coefficient des réserves obligatoires ho 13%. Ny Orinasa kely, madinika sy salantsalany (MPME) no tena tsinjovina amin’ireo fanapahan-kevitra noraisina ireo.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT