Banky foiben’i Madagasikara

« Ampifanarahana amin’ny fivoaran’ny zava-misy ny politika ara-bola »


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Nanao fanambarana omaly ny Banky foiben’i Madagasikara na BFM fa nisy ny fanapahan-kevitra

mikasika ny politikan’ny fitantanam-bola na «politique monétaire» noraisin’izy ireo. Ao anatin’ny fijerena isan-telo volana ny fivoaran’izany politika momba ny vola malagasy izany indrindra, hoy ny fanazavana, dia taorian’ny fivoriana tontosa iny omaly iny no nandraisana fepetra fa ho ampitomboina ny fahafaha-manamora ny fikirakiram-bola na «taux des facilités permanentes» toy izao manaraka izao. 9,50% ho an’ny taham-pahafaha-mametra-bola na «taux des facilités des dépôts». 11,50% ho an’ny taham-pahafaha-mindrana tsy voafaritra na «taux des facilités de prêt marginal». Ny fivoaran’ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ny fanazavana, dia mampitoetra ny fidangan’ny vidim-piainana hatramin’ny niatombohan’ity taona 2024 ity. Ny famakafakana mikasika ny fototr’izany no nanazava ireo antony fiparitahana eo amin’ny lafiny tolotra, izay iandrandrana ny mety ho fidinan’ireo vidin’entana, indrindra, ireo filàna an-davan’andro famokatra eto an-toerana toy ny vary. Mba hifehezana ny mety ho fahasahiranana aterak’izany fidanganan’ny vidim-piainana izany indrindra no nametrahana fomba fitantanana mailo mikasika ireo tokony ho tinady hapetraky ny BFM raha toa tsy hisy marimaritra azo heverina. Ny fahatanterahan’ireo tetikasam-pamatsiam-bolam-panjakana sy tsy miankina no heverina fa mety hahafaha-mamerina amin’ny laoniny ireo asa tokony atao sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo tolotra ankapobeny ihany koa. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny fifanakalozana ara-bola eto amin’ny firenena ny BFM ary mivonona ampifanaraka ny politikam-bola amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity. Manahy ny amin’ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ve izany ny banky foibe? Politika tahaka ny ahoana marina moa izany no tena ifotoran’izany BFM izany amin’izao fotoana izao? Mampiahiahy ny fanambarana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT