Toekarena

Banky Foiben’i Madagasikara Nampiakatra ho 9% ny «taux directeur»


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Zava-misy mivantana iainan’ny fiaraha-monina ankehitriny ny fidangan’ny vidim-piainana vokatr’ity tsy fahamarinam-pototry ny Ariary ity eto Madagasikara, araka ny fanampim-panazavany.

Tranga azo hanazavana tsotra azy io ny fahabetsahan’ny tolotra manoloana ny tinady eo amin’ny tsenan’ny vola. Vahaolana ahafahana miatrika izany kosa ny fampiakarana ny volan’ny tinady hifehezana ny fisondrotry ny vidin’entana. Havela malalaka ihany koa ny lafiny tahirimbola eny anivon’ireo banky. Fepetra tsy maintsy noraisin’ny mpitantana ny Banky Foiben’i Madagasikara moa ny fitazonana ny «coefficient des réserves obligatoires» ho 13%. Nasondrotra 0,7% kosa ny «taux directeur» ka ho lasa 9% raha 8,3% teo aloha. Hihatra manomboka ny alakamisy 11 mey 2017 izao moa ity fanapahan-kevitra vaovaon’ny komity mikirakira vola ao amin’ny BFM ity.

Nangonin-dRamano F

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT