Toekarena

Banky eto Madagasikara Manahirana ny olona


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Tsy mahagaga raha 5%-n’ny mponina eto Madagasikara ihany no miserasera amin’ny Banky eto Madagasikara. Ankoatra ny fahasarotan’ny taratasy izay takiana amin’ny fidirana ho mpikambana dia mampitaraina ny olona ihany koa ny sara alaina amin’ireo tolotra maro samihafa ao amin’ny Banky.

 

 Manoloana izay dia nanatona tompon’andraikitra iray tao amin’ny Banky eto Antananarivo ny Gazety Tia Tanindrazana nanontany ireo sarany alain’ny Banky. 3000 Ar isam-bolana ny sarany alaina amin’ny karatra fisintonana vola (carte bancaire) amin’ny banky, izany hoe 36 000 Ar isan-taona be izao no alain’ny Banky izay hita ho mavesatra tokoa. Ankoatr’izay, ny kaonty seky dia hakan’ny Banky sarany 3420 Ar isam-bolana ary mbola miampy ilay saran’ny karatra fisintonana izany raha mampiasa  karatra ilay olona. Izany hoe 6420 Ar isam-bolana na 77 040 Ar isan-taona no vola trohan’ny Banky raha sady mampiasa seky sy karatra ny olona iray. Raha mampiasa ilay karatra visa izay ahafahana misintona vola eny amin’ny GAB (Guichet Automatique de Banques) rehetra tsy ankanavaka kosa dia 79 000 Ar isan-taona ny sarany. Ho an’ireo manana kaonty orinasa dia 9840 Ariary isam-bolana na 118 080 Ar isan-taona no alain’ny Banky miampy 6000 Ar isam-bolana raha mampiasa ilay tolotra b-web: fijerevana kaonty amin’ny internet ary mbola misy ihany koa ny saran’ny fihodinan’ny orinasa (frais de fonctionnement) arakaraky ny fihetsiketsehan’ilay kaonty (mouvement) izay miovaova. 8 800 Ar  isam-bolana na 105 600 Ar isan-taona no sarany alaina amin’ny kaontin’ny mpiasa tsy miankina sy ny mpiasam-panjakana ka efa ao anatiny ny saran’ny seky, karatra fisintonana vola,… Ho an’ny mpiasa tena indray dia mandoa 7 800 Ar isam-bolana na 93 600 Ar isan-taona amin’ny Banky izy ireo. Ankoatr’ireo dia mbola maro ny tolotra hakan’ny banky sarany izay midangana ka mampikaikaika ny maro toy ny fangatahana toe-bola (demande de position): 1200 Ar, ny fangatahana relevé bancaire : 3 600 Ar, ny fangatahana fanamarinana seky (chèque certifié ) na fanafoanana : 12 000 Ar. Ampirisihina ny olona hiditra amin’ny Banky kanefa izany no zavatra miandry azy. Tsy mahagaga raha mihazakazaka mankany amin’ny sehatra fampindramam-bola madinika (microfinance) ny sasantsasany raha mba te hanao fandraharahana. Ny maro an’isa aza moa dia tsy miditra mihitsy na fampindramam-bola madinika indrindra moa fa Banky.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT