Toekarena

Banky BNI Nanemotra 3 volana ny famerenam-bola ho an’ireo mpanjifany


  • Zoma 24 Aprily 2020

Miara-mientana amin’ny Malagasy rehetra, indrindra fa ireo mpanjifany ny banky BNI Madagascar amin’izao fotoanan’ny hamehana ateraky ny fiparitahan’ny COVID 19 eto amintsika izao.

 

 

 

 

Nahemotr’izy ireo 3 volana avokoa noho izany ny fe-potoana hahafahan’ireo olon-tsotra nindram-bola taminy mandoa ny trosany. Mihatra avy hatrany amin’ity volana Aprily ity izany ho an’ny rehetra na dia tsy manatona azy ireo aza ilay mpanjifa manao fangatahana no sady maimaim-poana fa tsy misy sarany. Toraka izay ihany koa ireo orinasa no sady mbola afaka manararaotra ireo karazana tolotra fanampiana azo omena azy ireo amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Misokatra mandray ireo mpanjifany rehetra araka izany ireo masoivohon’ny Banky BNI miisa 93 manerana ny nosy raha arafa manara-maso ny kaonty ao anatin’ny tranon-kalam-pifandraisana amin’ny alalan’ny banque digital ihany koa ny rehetra. Manaja feno ny fepetra ara-pahasalamana moa ny banky mandritra izany toy ny fanaovana arotava, ilay elanelana 1 metatra, ny fanosorana gel hydroalcoolique amin’ny tanana mamono ny mikraoba.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT