Toekarena

Banky - BNI Madagascar Niampy iray indray ny masoivohony


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Niampy iray ny masoivohon’ny banky BNI manerana ny Nosy. Tao Mampikony, faritra Sofia no nametrahana izany, entina hanampiana sy hikarakarana ny mpanjifa.

Tonga nitokana izany tany an-toerana ny praiminisitra Solonandrasana Olivier, notronin’ny filohan’ny filankevi-piantanana eo anivon’ity banky ity Atoa Henri Rabarijohn. Tena manampy ny mpanjifa tokoa ny banky , hoy ny praiministra, izay tsy mijanona fotsiny ihany amin’ny fampisamboram-bola hanatanterahana tetikasa fa efa manampy ireo olona monina any amin’ny faritra lavitra andriana mba hahazo ny karamany ara-potoana ihany koa. Nampirisika ireo mponina ao Mampikony mba hiditra ho mpikambana eo anivon’ity banky iray ity araka izany Atoa Henri Rabarijohn hahafahana mampandroso ny faritra Sofia iray manontolo. Miasa mandritra ny herinandro tsy miato ity banky vao nisokatra ao Mampikony ity. Mahatratra 71 ny masoivohon’ny BNI manerana ny Nosy ankehitriny, misy milina fisintonam-bola (Guichet Automatique) miisa 100.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT