Toekarena

Banky BNI Hanampy ny olom-pirenena hanangana orinasa ho an’ny tenany


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Hanampy ny olona hanangana orinasa ho an’ny tenany ny banky BNI Madagascar hahafahana miady amin’ny fahantrana. Amin’ny alalan’ilay tolotra vaovao KRED no hanatanterahan’izy ireo izany eo ambany fiahian’ny CSBF sy ny banky foibe.

 

 Raha araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo, ny resa-bola no sakana goavana tsy hahafahan’ny olom-pirenena manangana orinasa ho an’ny tenany. Hatreto, vao ny 12 %-n’ny Malagasy no manana kaonty any amin’ny banky raha ny 21 % kosa no miara-miasa amin’ireo mpampindram-bola madinika. Vokany, tafakatra 2 tapitrisa mahery ankehitriny ireo orinasa tsy ara-dalàna eto amintsika mampiasa olona mihoatra ny 3 tapitrisa.  Miisa 177.000 kosa ireo orinasa ara-dalàna izay vitsy raha oharina amin’izy ireo.  Hamaha izany olana goavana izany ny KRED. Tsy manana birao izy ireo fa eny an-tokantranon’ireo mpanjifa sy eny an-dalana  ny biraony, fampindramam-bola tsy hanavahana na iza na iza. 1 tapitrisa Ar no vola farany ambany azon’izy ireo omena. Anisan’ny jereny voalohany ny hatsaran’ilay tetikasa, ny fahavononan’ilay olona hihoitra amin’ny fiainana izay vao ny antoka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT