Toekarena

Baby shopping andiany faha-5 Mpiara-miasa akaiky ny Top Radio sy Jejoo


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny tanàna manomboka rahampitso zoma fiandohan’ny volana desambra, haharitra roa andro, ilay hetsika Baby Shopping andiany fahadimy karakarain’ny Prima Baby. Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny hetsika, hoy Rajaonah Haingo,

 

mpikarakara. Hisy mantsy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny gazety Jejoo sy ny Top Radio FM 102.8  mandritra ireo roa andro ireo. Ny zoma dia maimaimpoana ny fidirana ho an’ireo olona mitondra ny coupon hita ao amin’ny gazety jejoo special hivoaka anio alakamisy raha 1.000 Ar no tokony ho vidim-pidirana. Arahina varo-mora amin’ireo karazan’entana sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro miaraka amin’ny Top Radio izay handeha mivantana mihitsy. Ankoatra izay, hisy ireo karazana tranoheva hivarotra manokana ireo karazana kojakoja sy fitafiana ho an’ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny folo taona. Tafiditra ao ny kilalao, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao. Tsy latsa-danja  ny fandraisana an-tanana manokana ireo ray aman-dreny manana olana amin’ny  fanabeazany ireo menaky ny ainy, hetsika iarahana amin-dRamamonjisoa Dina, matihanina manokana momba ny fitaizana ny zaza nandritra ny 20 taona. Ny Centre de Santé Rakotondrasana kosa no hifanome tanana amin’izy ireo amin’ny fanomezana torohevitra ireo ray aman-dreny manan-janaka tsy salama. Ny andro  sabotsy famaranana ny hetsika dia hisy ny lalao sy fanentanana ho an’ny ankizy, toy ny fifaninanana “déguisement”, izay handraisan’ny ankizy miisa 20 anjara, ny fanaovana face painting…

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT