Toekarena

Augustin Rakotonirina “Maika ny fampandrosoana ny faritra Alaotra Mangoro”


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Anisan’ny asa maika miandry ny solombavambahoaka Augustin Rakotonirina, lany tany amin’ny distrikan’i Moramanga manomboka izao ny fampandrosoana ny Faritra misy azy.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fambolem-bary, ny fanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana…Fa ankoatra ireo raha ny nambarany dia hanatanteraka ireo hetahetam-bahoaka ihany koa ny tenany mba hahafahan’ny rehetra misitraka ny tamberin’andraikitra nankinina taminy. Mikasika ny fitoriana ity solombavambahoaka ity manokana moa dia nambarany fa zavatra roa samihafa ny maha talen’ny orinasa fanalamanga azy sy ny naha kandida azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo saingy hafangaron’ny olona. Efa naka fialantsasatra manokana izy raha ny nambarany nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fa tsy sanatria akory nanao tsinontsinona ny asany noho izany ara-dalàna ny tsy nitantanan’ny orinasa tao anatin’izay fotoana izay. Atoa Augustin Rakotonirina moa ny kandida nahazo ny laharana voalohany ho an’i Moramanga.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT