Toekarena

Association clair de lune Madagascar Hanofana ny tanora ho lasa mpandraharaha


  • Zoma 25 Novambra 2022

Hanohana ilay tetikasa “Social Entrepreneurship For Youth (SEFY), Key to community development”, izay hanomboka ny volana Desambra ho avy izao ny Association clair de lune Madagascar .

Tetikasa miompana amin’ny fanomezana fiofanana maimaim-poana ireo tanora Malagasy mikasika ny “fandraharana sosialy” na ny “Entreprise sociale” izy io raha fehezina. Betsaka tokoa mantsy ireo tanora mpianatra eny amin’ny lisea no tsy mahalala akory ny mikasika ny fandraharahana na ny “entrepreneurship” noho ity farany tsy anatin’ny taranja hianarany. Manana fahaizana anefa ny tanora Malagasy ary mangetaheta fahalalana hahafahany mandray an-tanana ny ho aviny sy ny ho avin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, ekonomika, tontolo iainana ary indrindra ny fampandrosoana maharitra. Izany indrindra ny antony nananganana ity tetikasa ity hanomezana fiofanana ny tanora mikasika ny fandraharana sy ny hay-tarika (social entrepreneurship&Leadeship). Nosafidiana manokana ny faritr’i Moramanga hisitraka izany, rehefa hita fa betsaka ny tanora eny an-toerana no manana faniriana ny ho lasa mpandraharaha nefa tsy ampy fahalalana sy fahaizana manokana mikasika izany. Ho zava-dehibe tokoa moa ny akon’ity tetikasa ity, eo amin’ny fiainan’ny tanora sy ny firenena satria ho betsaka ny tanora hihanoka anaty fandraharahana sosialy, izay nambaran’ny fikambanana fa tombotsoa hiarahan’ny fiaraha-monina sitrahana.
Pati
Legende : Hofanina tahaka izao ireo tanora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT