Toekarena

ASIA ENJOY Madagascar Hanampy ireo mpandraharaha amin’ny fitadiavana lalam-barotra


  • Zoma 23 Martsa 2018

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato haharitra efatra andro ilay hetsika “Salon Asia Enjoy Madagascar” karakarain’ny agence de communication la premiere ligne.

 

Ankoatra ny fanandratana sy fanomezan-danja ny vokatra vita Malagasy dia anisan’ny katsahina fatratra ao anatin’izao hetsika izao ny mba hahafahan’ireo mpandraharaha Malagasy mitady mpiara-miombon’antoka hifanohana aminy. Saika manatanteraka varotra fampirantiana ao anatin’io salon io avokoa mantsy ireo mpandraharaha avy any ivelany ahitana an-dry zareo avy any Japon, Thallainde, Sina hotronin’ireo mpandraharaha avy any amin’ny firenena hafa. Nisy tamin’izy ireo moa, omaly, indrindra fa ireo miantsehatra amin’ny sakafo no nampanao fanandraman-tsira maimaimpoana izay nahasarika olona marobe tokoa. Tonga nanatrika ny lanonana  ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny governemanta nahitana ny minisitry ny varotra Atoa Chabani  Nourdine izay nanasongadina ny maha zava-dehibe ny hetsika tahaka izao ho fanampiana ireo mpandraharaha Malagasy… Amin’ny alahady 25 martsa ho avy izao moa vao hifarana ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT