Toekarena

Asam-panjakana ambony “Omeo lanja ireo teknisianina nianatra!”


  • Alarobia 11 Mey 2022

Tsy hanaiky atao fitaovana politika intsony ny mpiasam-panjakana ambony, hoy ny fanambaran’ny federasionin’ny sendikan’ireo mpiasam-panjakana ambony na “Federation des Syndicats des Grands corps de l'Etat” tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly.

Handray ny andraikitra tandrify azy ny federasionina satria lasa atao fitaovana izy ireo ary tsy manana lanjany eo amin'ny asa nianarany, hoy izy ireo. Noho izany dia manana adidy eo amin'ny fampandrosoana firenena ireo mpiasam-panjakana ambony ary tsy manaiky atao fitaovana intsony. Omeo lanja ireo teknisianina izay nianatra, hoy hatrany izy ireo omaly. Anisan’ny tena tsy levon’ny vavon’ireo mpiasam-panjakana ambony izay nianatra ny asa sahaniny ny fidiran’ny mpanao politika nahazo faefana lalina loatra amin’ny fanapahan-kevitra teknika; to any mpanao politika mety nahazo fahefana am-pitaka no mandidy sy manapaka ry tahaka ny tena milalao mihitsy ireo mpiasam-panjakana ambony.Ary ny loza aza dia indraindray olona tsy mendrika sy tsy mahazaka ilay toerana no tendrena iandraikitra izany fa ahilika ireo olona tena nianatra ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana.Ireo izay say miteny sy mijoro dia afindra toerana na iharan’ny antsojay isan-tsokajiny.Tsy ekena intsony izany hoy ireo “grands corps de l’Etat”
J. Mirija
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT