Toekarena

Asa tanana Malagasy Mila misokatra amin’ny any ivelany


  • Talata 23 Mey 2017

Tonga nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva ny tsenabe FIM andiany faha 17, teny amin’ny Zone Forello Tanjombato,

 ny delegasionina notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nahitana minisitra maromaro nanotrona azy tamin’ny andro famaranana ny alahady 21 mey 2017.  « Miara-miasa sy manohana ireo ezaka ataon’ireo  tompon’andraikitra izay manomana sy mikirakira ny tsenabe iraisam-pirenena  ny fitondram-panjakana, fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina », hoy izy.  Nitombo ny tranoheva ka niakatra hatrany amin’ny 400 isa. Nanamafy ny lehiben’ny governemanta fa “ilaina ny fananana orinasa goavana sy orinasa salantsalany noho izy ireo miteraka asa sy mampandroso ny toekarena”. Niavaka ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao asa tanana Malagasy tamin’ity andiany faha-17 an’ny FIM ity izay nambaran’ny praiminisitra fa mila miofana sy manana toetra matihanina mba ho afaka hifaninana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nambaran’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa “Zava-dehibe ny firoborobon’ny mpandraharaha avy any ivelany mandray anjara aty Madagasikara. Ilaina ny fifanakalozana traikefa sy ara-barotra satria izay no ahafahana mampandroso ny toekarena. Tsy maintsy miara-dalana hatrany amin’ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina ny fitondram-panjakana”.

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT