Tonga nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva ny tsenabe FIM andiany faha 17, teny amin’ny Zone Forello Tanjombato,
ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly alahady 21 mey 2017 nahitana minisitra maromaro nanotrona azy. « Miara-miasa sy manohana ireo ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra izay manomana sy mikirakira ny tsenabe iraisam-pirenena ny fitondram-panjakana, fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina », hoy izy. Nitombo ny tranoheva ka niakatra hatrany amin’ny 400 isa. Nanamafy ny lehiben’ny governemana fa “ilaina ny fananana orinasa goavana sy orinasa salantsalany noho izy ireo miteraka asa sy mampandroso ny toekarena”. Niavaka ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao asa tanana Malagasy tamin’ity andiany faha-17 an’ny FIM ity izay nambaran’ny praiminisitra fa mila miofana sy manana toetra matihanina mba ho afaka hifaninana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nambaran’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa “Zava-dehibe ny firoborobon’ny mpandraharaha avy any ivelany mandray anjara aty Madagasikara. Ilaina ny fifanakalozana traikefa, sy ara-barotra satria izay no ahafahana mampandroso ny toekarena. Tsy maintsy miara-dalana hatrany amin’ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatra tsy miankina ny fitondram-panjakana”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.