Toekarena

Asa natao ho an’ny fanjakana Misy mpandraharaha tsy voaloa vola hatramin’izao


  • Talata 21 Martsa 2023

Mampiaka-peo ireo mpandraharaha manao ny asam-panjakana noho ny volan’izy ireo mihitsoka amin’ny fanaovana fotodrafitrasa an’izao fitondrana izao, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Ny volana novambra 2022 no tokony nanefan’ny fanjakana ny volan’izy ireo kanefa hatramin’izao tsy azo. Efa tafiditra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola sy ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana ny fandoavana ny volan’ireo mpandraharaha nanao ny asam-panjakana ireo kanefa tsy voaloha hatramin’izao . Lasa aiza ny vola? Mampametra-panontaniana, hoy ny mpandraharaha iray, ny mahita ireo namana tapaka lalan-drà, banky ropitra,migadra ary ny sasany mijanona tampoka ny fo noho ny adin-tsaina ateraky ny tsy fandoavana ny volan’izy ireo. Niantso fanomezan-tanana taminay ry zareo, natoky izahay ary vita soa aman-tsara ny asa kanefa izao no mahazo ny mpandraharaha malagasy. Isaky ny faha 15n’ny volana dia mikarakara karaman’ny mpiasam-mpanjakana aloha dia avy eo indray sahirana manome karama ireo mpisotro ronono, dia tsy mahita vola handoavana ny karaman’ny mpiasa an-tselika sy mpamatsy izay namita sy manao ireny asam-panjakana ireny dia ohatran’izany hatrany no nahazo anay nanomboka ny volana novambra no mankaty, hoy hatrany ity mpandraharaha ity. Raha ny loharanom-baovao azo dia misavovona, miampy isan’andro ny dosie an’ireo mpandraharaha malagasy ao amin’ny sampana mpitahiry vola na “Trésor” Antaninarenina miandry ny fandoavam-bola avy amin’ny fitondrana. Tsy misy antony tokony tsy haha voaloa ny volan’ireo mpandraharaha malagasy namita ny asam-panjakana ireo. Efa nampidirina tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola izany . Nataon’izao fitondrana izao aiza ny vola? Rehefa manao fety sy mamory vahoaka hanaovana werawera dia misy ilay vola ,rehefa handoa ny volan’ny Mpandraharaha dia milaza fa tsy misy vola, hoy hatrany ny fanontaniana mipetraka ?
(Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT