Toekarena

Asa fandraharahana sy fanondranana vokatra Mbola takona i Madagasikara


  • Talata 28 Mey 2019

Nifarana ny alahady lasa teo ilay hetsika goavana ara-toekarena « Foire International de Madagascar » na FIM andiany faha-14.

 

 

Nahafapo tamin’ny ankapobeny hoy ireo mpandraharaha saingy maro hatrany ny olana mbola sedraina. Ohatra amin’izany ny mbola tsy fahafantaran’ny firenena vahiny maro ny fandraharahana sy ny vokatra misy eto Madagasikara. Rehefa amin’ny hetsika sahala amin’itony dia tokony efa mba mazavazava amin’ireo mpandraharaha vahiny ny zava-misy sy ny vokatra mampiavaka an’I Madagasikara. Anisan’ny firenena mbola tsy mahafantatra tsara mahakasika ny fandraharahana sy ny famokarana eto Madagasikara izao ohatra ny kanadiana izay nandray anjara tamin’ny hetsika. Na izany aza dia nampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’ireo firenena vahiny maro anjara ka hita teny ny Alemana, Egypta ary ny Belza. Mbola mampitaraina ny mpandraharaha mpanondrana entana Malagasy hatrany kosa ny fahasarotan’ ny fiarovana ny tsena eto Madagasikara nohon’ny tsy fisian’ny sivana tahaka ny any amin’ireo firenena any ivelany amin’ny fampidirana ny vokatra miditra

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT