Toekarena

Asa fandraharahana sy fanondranana vokatra Efa mitombo ny lalam-barotr’i Madagasikara


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Nifarana omaly ilay hetsika goavana ara-toekarena « Foire International de Madagascar » andiany faha-13 izay notanterahina tetsy amin’ny Forello expo Tanjombato.

 

 Fotoana izay ahafahan’ny mpandraharaha sy ny orinasa manakaiky kokoa amin’ny mpanjifa ary mampahafantatra ireo vokatra eto Madagasikara. Nahafapo tamin’ny ankapobeny, araka ny tatitry mpandraharaha maromaro, saingy tsy maintsy lazaina hatrany ny olana mbola sedrain’izy ireo. Ohatra amin’izany ny mbola fahasarotan’ ny fiarovana ny tsena eto Madagasikara. Tokony hasiana sivana tahaka ny any amin’ireo firenena any ivelany ny  vokatra miditra eto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha mpanondrana entana. Maro mantsy ny fepetra takiana apetraky ny firenena vahiny amin’ny entana  miditra any aminy. Mila manao toy izany ihany koa i Madagasikara mba hitsinjovana ny tombombarotra  ara-toekaren’ny mpandraharaha. Ny fampiharana ireny sivana sy fepetra ireny dia hisorohana ny fatiantoka sy ny fifaninanana tsy ara-drariny mahazo ny orinasa mpanondrana entana. Tsy mandà ny fiakaran’ny haba sy ny hetra samihafa ampiharin’ny fanjakana amin’izy ireo ny orinasa Malagasy sy ny mpandraharaha fa takian’izy ireo kosa ny fiarovan’ny fanjakana ny asa fandraharahana sy ny fampiasam-bola ataony. Nanambara ihany koa ny mpandraharaha, indrindra ireo madinika tamin’ity hetsika ity fa  mbola olana ny fahazoana famatsiam-bola izay misakana ny  fampivelaran’ny asa fandraharahana eto Madagasikara. Efa maro ireo mpandraharaha sy  orinasa Malagasy manomboka mba mahita ny lalan-kizorany amin’ny varotra izay ataony any ivelany any ary fotoana hanararaotana fitadiavana lalam-barotra ny hetsika sahala amin’itony.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT