Toekarena

Asa fampandrosoana Mila mandray anjara feno ny olom-pirenena


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Nanamarika ny faha-5 taona nitsanganany teny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy) omaly alarobia 10 mey,

ka lohahevitra nentina nanamarihana izany ny hoe “ONG SAHA 5taona nanamafisana tamberin’andraikitra sy fampandraisana anjara olom-pirenena”. Novelabelarina kosa ny hoe: “Tamberin’andraikitra sy fampandraisana anjara ny olom-pirenena : inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fampandrosoana ?”. Tompon’andraikitra 21 avy tao amin’ny fandaharanasa SAHA no nanorina ny ONG SAHA tamin’ny volana aprily 2011 dia ny fandaharan’asa avy amin’ny famatsiam-bolan’ny governemanta Soisa, izay nifarana ny taona 2012. Vinan’izy ireo ny fametrahana fitondrana tsara tantana mba hampiroborobo ny fampiasam-bola sy ny famoronan’asa ary ny fampandrosoana ara-toerakena, hanatsarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena. Kaominina 60 miparitaka anatin’ny faritra 7 no mahazo fanohanana avy amin’ny ONG SAHA isan-taona. Anisan’izany ny fiaraha-miombon’antoka mivantana amin’ny vondrona kaominina 6 (intercommunalités) ka nahitan’ireo vahoaka tombontsoa mivantana amin’ny lafiny mangarahara sy fihatsaran’ny fitantanana eny anivon’ny kaominina, toy ny resaka hetra. Azo itarina amin’ny kaominina manerana ny nosy ny fomba fiasa ary, tsy tokony ho tompon-trano mihono ny vahoaka, hoy ny mpitarika ny fikambanana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT