Toekarena

Asa aman-draharaha eto Madagasikara Mila ezaka fampivoarana lehibe


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Vehivavy iray nitaraina mafy teny anivon`ny tambajotra serasera omaly manoloana ny fomba fiasan`ny mpampandroso sakafo taminà trano fisakafoana lehibe iray tetsy Ambatonakanga.

 

 

 

 Raha ny nambarany dia “natao ny commande, ela be efa ho adiny 1:30 mahery vao tonga avy any. Mba nanantena hoe ho tsara kinanjo lazainy fa tsy nisy intsony ilay sakafo ary dia noteren'ilay vehivavy mpampandroso sakafo hihinana akoho fotsiny tsotr'izao raha toa ka henan`omby no kaomandy. Tsy nisy ny fakana hevitry ny mpanjifa fa tonga dia mandidididy fotsiny nefa zavatra vidiana fa tsy angatahana. Rehefa niteny aho hoe izaho tsy tia akoho fa omeo “carte” dia tsy niverina izy efa ho 20 minitra kanefa dia mandalo eo mivezivezy.” Tsy vao izao tokoa ny tranga toy izao ka mafy ny kiana teo anivon`ny tambajotra saingy teboka telo no tena nisongadina tamin`ity raharaha ity raha tamin’ireo fanehoan-kevitra.

 

Tsy mahay mifanaja ny samy Malagasy

Rehefa mpivarotra vaventy malagasy dia matetika miavonavona tsy manaja sady tsy mahay mandray olona, indrindra rehefa malagasy ilay mpanjifa. Tsy tranga vaovao izany fa dia saika hiainana amin`ny andavanandro mihitsy. Rehefa lazaina hoe mba hajao sy raiso tsara ihany ny mpanjifa dia teny mahery no nasetrin'ilay mpivarotra. Saingy rehefa teratany vahiny dia fatra-panaja ireo mpivarotra na dia zavatra iray monja no vidian`ilay mpanjifa vahiny. Kolontsaina efa raiki-tapisaka amintsika anefa ny mahay mandray vahiny saingy tsy toe-tsaina hiainana intsony ny soatoavina eo amin`ny samy Malagasy.

 

Tanora ny fizahantany

Voaporofo ihany koa fa mbola tanora ny fizahantany eto amintsika. Tsy ampy ny maha matihanina mahafehy ny sehatry ny fizahantany ireo mpandraharaha noho tsy fahampian`ny politika maharitra ho an`ity sehatra ity. Ahoana no fomba hanatrarana ny isan`ny mpizahatany ho 500 000 hatramin`ny taona 2023 raha  tsy dieny izao dia mifanaraka amin`ny fenitra takiana ny fomba fiasa ?

 

Tsy ampy fanofanana arak`asa

Raha dinihana ny filàna eo amin`ny fahaizamanao eto amintsika ary ampitahaina amin`ireo sampam-piofanana misy dia tsapa ny tsy fahampiana arak’isa sy ara-kalitao. Ny antony hafa mahatonga ny tsy fahampian`ny safidy na ny hatsaran`ny fampiofanana dia ny tsy fananan’i Madagasikara mpampiofana mifanaraka amin`ny mari-pitarafana sy ireo hasin-taranja ilaina amin`ny sehatry ny asa sasany. Tsy mifandray koa ireo toeram-piofanana sy ny tontolon`ny asa ka matetika tsy mifanaraka ny fianarana norantovina sy ny asa atao.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT