Toekarena

Arivonimamo Hahazo orinasa mpanodina voatabia


  • Talata 03 Novambra 2020

Hahazo orinasa kely mpanodina voatabia havadika ho lasa ketchup ny any amin’ny distrikan’Arivonimamo.

 

 

 

 Entina hanampiana ireo tantsaha mpamokatra any amin’iny faritra Itasy iny hiarovana ity karazana voankazo ity tsy ho lo am-pitoerana na ho potika fotsiny rehefa tsy lafo no tanjona. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia miaina fatiantoka hatrany ireo tantsaha any an-toerana, indrindra tamin’ny fotoanan’ny fihibohana. Tonga nijery ny olana sedrain’izy ireo tany an-toerana ny Minisitry ny varotra sy ny indostria Rakotomalala Lantosoa. Fantatra tamin’izany fa ao Mangatany no hanorenana ity orinasa ity, tany mirefy 13 ha fanomezana avy amin’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fananan’asa mianjady amin’ny tanora ihany koa moa izao hetsika izao, ho an’ny Faritra Itasy ihany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT