Toekarena

Aretina tazomoka Mbola mahafaty Malagasy maro


  • Alakamisy 18 Aprily 2019

Antony fahefatra mahatonga ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly ary mitana ny laharana faha-3 amin’ny tokony hanatonan’ny Malagasy ny tobim-pahasalamana ny tazomoka. Noho izay indrindra no nisian’ny famelabelarana siantifika mikasika ny fanatsarana ny ady amin’ny tazomoka tetsy amin’ny Hotely Carlton omaly alarobia 17 aprily.

 

260 ny mpandray anjara ary nahitana ireo fianakaviamben’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ireo mpiara-miombon’antoka tahaka ny “Roll Back Malaria National” ao amin’ny USAID ary ireo manampahaizana sy mpikaroka avy amin’ny Anjerimanontolo eto Madagasikara sy any ivelany. Tanjona ny hahafahan’ny mpandray anjara rehetra handray lesona sy ireo soso-kevitra maro amin’ny ady atao ho fanafoanana tanteraka ny tazomoka. Eo ihany koa ny fijerena ny valin’ny fanadihadiana rehetra natao ka hifampizarana ny vokatra aorian’izao kaonferansa lehibe izao. Tsiahivina fa efa nisy ny andiany voalohany nanaovana izao famelabelarana siantifika izao ary mifanandrify indrindra amin’ny andro manerantany iadiana amin’ny tazomoka isan-taona izao andiany faharoa izao.Tsara ho marihana fa 500 000 ny olona voan’ny tazomoka teto Madagasikara ary 300 kosa no namoy ny ainy raha ny tarehimarika farany (taona 2017).

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT