Toekarena

APEESPA- 5 taona Mitaona ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny


  • Talata 23 Mey 2023

Feno 5 taona ny fikambanana ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo anivon’ny Toeram-pampianarana ambony momba ny politeknika (APEESPA) eny Vontovorona.

Raha tsiahivina dia fikambanana hivondronan'ireo tanora mpianatry ny ESPA sady mbola mamita fianarana na efa mandraharaha izy io. Nisy ny hetsika nentin’izy ireo nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo izay mitaona ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny. Antoka iray hahafahana mampandroso haingana ny firenena mantsy izany. Tamin’izany no nampitan’ny solontenan’ny Ministry ny indostria hafatra tamin’ireo tanora mba tsy hatahotra hampiasa vola, hanangana orinasa ary hahaleo tena. “Mifototra amin'ny fandraharahana, hoy ihany izy, ny fampandrosoana ny firenena. Nisy ihany koa moa nandritra io fotoana io ny fizarana fohy nataon'ireo tanora mpandraharaha, tompon'andraikitra amin'ny orinasa ary ny avy ao amin'ny ONUDI ho famporisihina ireo tanora eto amintsika.

Nangonin’i Pati

Legende : Maro ireo vehivavy mpandraharaha tazana nizara ny traikefa nananany teto

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT