Toekarena

Antsojay tsy an-kitsitsy MBS tsy sokafana,TIKO akatona ?


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Manomboka mihamafy ny tsindry avy amin’ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana amin’ny tokony hanokafana ny haino aman-jery MBS (Malagasy Broadcasting System),

 

 ka nanova paikady mihitsy ny fanjakana, izay namerina an-dRahajason Harry Laurent na Rolly Mercia ho minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Voalaza fa ny fanakanana ny fisokafan’ny MBS no iraka voalohany hampiandraketina azy noho ity tompon’andraikitra ity henjana tokoa amin’izany, ary efa niseho fony izy nitantana io minisitera io ihany tamin’ny andron’ny tetezamita. Mitohy ihany ny antsojay amin’ny endriny hafa ary ny orinasa Tiko ihany koa ankehitriny ankehitriny no mitady ho tratry ny antsojay, izay mety hiafara amin’ny fampiatoana sy fanakatonana mihitsy. Voalaza mantsy fa tadiavin’ny fanjakana hilana vaniny hatrany ny ozinina any Andranomanelatra Antsirabe. Ambara ho tsy mahafeno ny fepetra ny ozinina any an-toerana, indrindra fa ny lafiny ara-tontolo iainana sy ny maro hafa, ka tadiavina hatao porofo hoenti-manakatona azy. Ny vondrona Tiko anefa no anisan’ny orinasa Malagasy nanara-penitra indrindra na ara-pitaovana na vokatra.

TAHOTRY NY FILOHA AN-DRAVAVALOMANANA

Te hifidy ny lohany kanefa matahotra ny masony ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina manoloana ireo fihantsiana ady ataony amin’i Marc Ravalomanana. Toa manomboka matahotra anefa ankehitriny, ka tsy sahy mihantsy ady mivantana toy ny fanaony intsony, fa ireo manodidina azy indray no hampirisihina avy aty ambadika, raha tsy hilaza afatsy ny resaka fandravana ny fananan’ny fianakaviana Ravalomanana eny Ankorondrano sy ny fananganana toeram-piantsonan’ny fiara eny Andohatapenaka, izay mbola eny amin’ny fitsarana ny raharaha mikasika ny tany saingy izao nanaovana amboletra izao. Ambara ho tetikasan’ny filoham-pirenena izy io, saingy tsy sahy nipoitra teny Andohatapenaka ny filoham-pirenena nandritra ny fametrahana vato fototra, kanefa fombany ny mirehareha sy mihantsy ady rehefa misy ny zavatra hatao tahaka ireny. Tany amin’ny zavatra tsy tokony hidirany indray ingahy Hery Rajaonarimampianina afak’omaly no nanala vonkony sy nizahozaho sy nirehareha amin’ny fahavitan-javatra. Ny EPP izay nohavaozin’ny orinasa karana Filatex no nireharehany, fa ilay ambara ho tetikasany kosa nikipiany sy toa nodiany tsy fantatra akory noho ny hakanosana. Andrasana eo izay mety ho tohiny, fa ny azo antoka aloha dia hafana ny hetsika eny amin’ny Magro Behoririna anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro satria misy ny toromarika manokana ho an’ireo zanak’I Dada.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT