Toekarena

Antontanisa tsy mazava Mampiahiahy ny mpamatsy vola


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Ezahin’ny eo anivon’ny ivontoerana nasionaly mikirakira ny antontanisa ho vita mialoha ny faran’ny taona ny volavolan-dalàna hoenti-manatsara sy hanavaozana ny antontanisa,

raha ny fanazavan’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana eo anivon’ny Instat,  Ndremitsara Tarzan. Efa betsaka ny lany andro mikasika ny torohay momba izany, hoy izy, ka mila fanavaozana. Tompon’andraikitra feno ny olom-pirenena mahakasika ny fanomezana ny antontam-baovao. Ny mampalahelo dia kely ny sazy ho an’ireo olona tsy manome antontam-baovao momba ny antontanisa. Mampiahiahy ny mpamatsy vola ihany koa, raha ny nambarany hatrany, io tsy fahatomombanana eo amin’ny antontanisa io sady mampananosarotra ny fampandrosoana. Isaky ny 10 taona raha ny tokony ho izy no misy fanisam-bahoaka fa ny toe-draharaha taminj’ny taona 2009 no nampihemotra azy, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT