Toekarena

Antoko politika MMM “Mila ampiana ny sehatra tsy miankina”


  • Talata 21 Jona 2022

Nifanakalo hevitra sy nifampihaino tamin’ireo mpianatra mpikaroka tao Fenoarivo atsinanana ny zoma teo sy tao Toamasina ny sabotsy 18 jona teo,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny antoko politika MMM. Marary ny firenentsika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo, mantsy ireo mpianatra ary ianareo no vahaolana. Tsy ratsy izany politika izany fa natao hampandrosoana ny firenena. Ilaina ny avara-pianarana hitondra fanavaozana fa indrindra ihany koa hahafahana mitondra fomba fijery lavitra hanavotana ny firenena. Miasa saina amin’ny hoaviny noho ny tsy fisian’ny asa ireo mpianatra aty amin’ny ambaratonga ambony. Tsy voatery hiasa amin’ny fanjakana daholo ny olon-drehetra fa misy koa ireo any amin’ny sehatra tsy miankina. Eo no ilana ny fanampiana ny sehatra tsy miankina amin’ny famoronan-kasa. Mila hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana ary mahatsapa izany ireo tanora. Izany no antony hanoloran’ny MMM sosokevitra ny amin’ny tokony hanampiana hatrany ny sehatra tsy miankina, hoy hatrany ny filohan’ny MMM.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT