Toekarena

Antoko politika Fiombonana “Tokony jerena haingana I Bemolanga sy Tsimiroro”


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Tsy vahaolana velively ary toherina ny famendrofendroana sy ny fifampihatsiana ho any amin’ny korontana izay hitondra ny vahoaka Malagasy sy firenena ho any amin’ny kizo lalina,

hoy ny antoko politika Fiombonana omaly. Manoloana izao zava-misy izao no tokony hampisehoan’ny Malagasy ny maha iray tsy mivaky azy ka hanehoana ilay firaisankina sy fihavanana izay tena mampiavaka antsika ka hifampitsinjo sy hifanampy mba hanamaivanana ny vesatra aterak’izany fiakarana izany, hoy izy ireo. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky sy hampihatra ny lalàna hoan’ireo minia mikipy ka manararaotra tsy ampiheverana izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao. Takiana ny hijerena manokana ireo vahoaka madinika maro an’isa, indrindra, ny eny ambanivohitra izay mizaka ny voka-dratsin’izao fiakarana izao. Mila jerena akaiky ary tohanana koa ireo mpandraharaha manara-dalàna mba hahafahany miatrika am-pilaminana ny asany ka ho toy ny tery omby ririnina tokoa ny fiainan’ny Malagasy. Ny fitrandrahana sy fitantanana ara-drariny ary ny fanodinana ireo harena mampiavaka antsika na ambanin’ny tany na ambonin’ny tany na anaty rano sy ny fifotorana amin’ireo asa fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra toy ny fambolena, ny fiompiana ary ny asa tanana no ampinga entina miatrika izao zava-misy izao. Ny fiaingàna amin’ny toekarena anatiny noho izany no vahaolana aroso mba hampiakatra ny fahefa-mividin’ny Malagasy.Ezaka goavana noho izany ny fananganana fotodrafitr’asa mitondra fampandrosoana toy ny lalana, ny tetezana ary ny toho-drano sy ny fanitarana ny velaran-tany azo volena. Hisy fiantraikany goavana koa io vidin-tsolika io eo amin’ny famokarana herinaratra sahanin’ny JIRAMA ka hiteraka fikorontanana ara-toekarena goavana koa ampirisihina ny fitrandrahana sy fampiasana ireo angovo azo havaozina azo avy amin’ny rano, ny rivotra ary ny masoandro izay ananatsika tsara.Tokony ho jerena haingana koa ireo toeram-pitrandrahana toa an’I Bemolanga sy Tsimiroro. Ny Antoko Fiombonana dia matoky ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ka anjaran’ny fanjakana no miantso ireo tsara sitrapo rehetra mba hiaraka hisalahy sy hifanome tanana hitady vahaolana ho an’ny mpiray tanindrazana, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT