Natao ny zoma tontolo ny andro teo ny fifidianana ireo mambra miisa 30 eo anivon’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria atsinanana, izay ahitana kolejy telo dia ny varotra sy ny indostria ary ny servisy. Lisitra kandida tokana izay notarihan’ny “GEPAT”
ihany no afaka nirotsaka tamin’izao fifidianana izao, tsy hita nandray anjara na tamin’ny kandida na tamin’ny lisitry ny mpifidy kosa ireo mpikambana eo anivon’ny GEL na ireo Vondron’ny Mpanondrana Lodsia Malagasy tamin’ity taona ity.Nambaran’Atoa Razafindrafahatra Zoe filohan’ny fikambanana “GEPAT” fa hitondra ny CCI atsinanana amin’ny fanatsarana sy amin’ny maha-antoky ny fampandrosoana ny fandraharaha marina izy ireo manomboka izao, satria mahatsapa ireto mambra 30 vaovao ireto fa tena latsaka an-katerena tanteraka sy tsy nahafeno ny tena asany amin’ny fanampiana sy ny fiarovana ary fanatsarana ny fandraharanarana sy ny mpandraharaha ny CCI atsinanana. Alohan’ny fetin’ny krismasy ireo no voalaza fa hivory voalohany ireto mambra 30 vaovao ireto, ka izy ireo indray no hifidy ny filohany sy ireo filoha lefitra isaky ny kolejy telo ary ireo mpanolontsaina maharitra miisa 08 alaina avy amin’ireo kolejy telo misy ihany koa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.