Toekarena

Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Hametraka ny toerana tokana fandefasana entana


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nisy ny fanatanterahan’ny delegasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indositria iraka tany Kenya. Anisan’ny firenena be traikefa eo amin’ny lafiny fandraharahana sy ny fanondranana i Kenya, antony nifidianan’izy ireo azy.

 Anisan’ny tanjona tamin’ny dia ny fametrahana ny toerana tokana ho fanondranana entana (Guichet Unique à l’Exportation na GUE). Hatao fitaratra voalohany amin’izany ny faritra Anosy sy SAVA ary fiaraha-miasa amin’ny tetikasa TRF izay tohanan’ny SADC no nahatontosana izany. Hiteraka tombony ara-toekarena ho an’i Madagasikara ny fametrahana ny GUE  amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny SADC sy COMESA satria efa misy 21 eo ny firenena tsy mandoa hetra ao amin’ny sehatra fanondranana. Hisy ihany koa ny foara ara-toekarena handraisan’i Madagasikara anjara hifanakalozana ara-barotra. Tanjona ihany koa ny fanamorana ny fivezivezen’ny vokatra ao amin’ny tsena SADC sy COMESA amin’ny hetra ambany. Manoloana ny fiatrehana io GUE io dia hisy ny fanofanana ny mpandraharaha Malagasy, hoy hatrany ny teo anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria.

Tsirinasolo

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT