Toekarena

Antenimieran’ny varotra Atsinanana Hatao ny zoma ny fifidianana


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Tao anatin’ny 8 volana, nanomboka ny volana aprily nitsanganan’ny komity manokana mpikarakara ny fifidianana vaovao eo anivon’ny antenimieran’ny varotra atsinanana,

  tarihin-dRtoa Lambo Nadia talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Atsinanana sy Atoa Rakotonirina Norbet solontenan’ireo mpandraharaha ao anatin’ny komity, dia efa vonona izy ireo amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo mambra 30 vaovao ho eo anivon’ny antenimieran’ny varotra Atsinanana. Izy ireo indray avy eo no mifidy ny ho filohany. Nandritra io 8 volana io dia nitety ireo distrika 7 mandrafitra ny faritra atsinanana izy ireo nanazava ny lalam-pifidianana sy lalam-pilatsahana hofidiana vaovao. Kolejy telo no hanana ny olony eo anivon’ny antenimieran’ny varotra vaovao, ahitana ny kolejin’ny varotra miisa 18, kolejin’ny tolotra miisa 8, ary ny kolejin’ny indostria miisa 4. Lisitra no mitondra ny filatsahan-kofidian’ireo kandida. Tao anatin’ny antontan-taratasy efa voarain’ny komity manokana dia ny GEPAT na “Vondron’ny Mpandraharahan’ny Faritany Mizakatenan’i Toamasina”, manana vondrona 3 hafa ao anatiny dia ny “GIPT” sy ny “GEGM” ary ny “GEPTOA”. Tsy ho kandida Atoa Botoubebe Rosin filohan’ny antenimieran’ny varotra teo aloha ary nivoaka teo anivon’ny GEPAT tamin’ny nahalany azy.

 


 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT