Toekarena

Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Niteraka resa-be ny fifidianana tao Antsirabe


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Notontosaina ny alahady 9 aprily 2017 ny fifidianana ireo mpikambana 34 handrafitra ny mpifidy vaventy eo anivon’ny antenimieran’ny Varotra sy ny indostria - Vakinankaratra.

  Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mbola teo amperin’ny fifidianana ireo biraom-pifidianana manerana an’i Vakinankaratra ka tsy mbola nisy ny azo nambara na dia efa fantatra ihany aza fa efa nahavita ny fifidianana ny tao Mandoto sy Betafo. Niteraka resabe eran’i Vakinankaratra moa ity fifidianana ity satria nidiran’ny resaka polititika avo lentan’ny antokon’ny fitondrana indray izany tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Faritra. Nisy araka izany ny fampidirana maimaika mpikambana vaovao handrafitra ny lisim-pifidianana rehefa tsy nanohana azy ireo orinasa goavana eto Vakinankaratra, izay namarinin’ny laharan’ny R.C.S vaovao nomena ireo mpivarotra moa izany. Etsy andaniny dia hita taratra fa adin’ny lehiben’ny faritra teo aloha sy ity tompon’andraikitra  vaovao eo anivon’ny faritra ity ilay fifidianana satria hita ao ny anaran’izy ireo, izay fantatra fa sakay sy maso tamin’ny naha lehiben’ny faritra ny filohan’ny antenimieran’ny varotra ankehitriny. Andrasana araka izany ny vokatra satria ireo olona 34 voafidy eo no hifidy izay hitantana indray ny antenimieran’ny Varotra sy ny indostria - Vakinankaratra. Marihina moa fa volabe hatrany amin’ny 30 tapitrisa ariary no nanomanana ny fifidianana kanefa dia 197 tamin’ireo 12.000 mpandoa hetra no tafiditra ao anatin’ny lisim-pifidianana. Marihina moa fa ny Fiova sy ny Fivmpama no mifaninana ho an’i Vakinankaratra.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT