Toekarena

Antanetivory Antsirabe Hisitraka rano fisotro madio ny mponina


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Vokatry ny ezaka nataon’ny orinasa Holcim Madagasikara dia hsitraka rano fisotro madio ny mponina any Antanetivory kaominina Tritriva distrikan’Antsirabe.

 

 

 

Fotodrafitrasa vaovao izay ahitana paompy 5 sy siniben-drano  ary toeram-panadiovana iray no natsangana. Hahazo rano madio avy hatrany ny Sekoly Fanabeazana fototra (EPP) ary miisa 179 ny mpianatra hisitraka izany ankoatra ireo mponina any an-toerana. Nomena tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fanalahidy izay natrehan’ny tompon’andraikitry ny kaominina any Tritriva, ireo mpampianatra ao amin’ny EPP Antanetivory ary ireo mpiandry paompy. Mbola hisy ihany koa ny fampiofanana ireo tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana ireo fotodrafitrasa vaovao ireo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT